Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Zandarimariam-pirenena no mamoaka manamboninahitra vehivavy voalohany mandrafitra ny andiany iraisam-piadiana (Peloton Inter-Arme PIA). Miisa 5 vavy tokoa mantsy ireo manamboninahitra lefitra, nahafeno ny fepetra, afaka tamin’ny fifaninana ho mpianatra ho manam-boninahitra, ao amin’ny andiany iraisam-piadiana faha 22, misalotra ny anarana « 60ème anniversaire de l’Académie Militaire », eto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Ny 20 amin’izy 40 mianadahy, mpandresy, navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany, dia zandary avoko, 5 manamboninahitra vehivavy ary 15 no lehilahy.
Nandritry ny famoahana ny vokatry ny fianarana noratovina sy fiofanana teto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, dia mendrika ny zandary satria dia tafiditra tao anatin’ny 5 voalohany (lehilahy no laharana faha 2 sy faha 3, ary vehivavy no nahazo ny laharana faha 04). Nandritra ny 02 taona nandalovan’izy ireo teto amin’ny sekoly dia niezaka, nifofotra mafy, nanaraka ny dingana rehetra sy ireo sedra maro tsy maintsy nolalovana vao nahazo ny laharam-boninahitra lietna lefitra (sous-lieutenant). Aorian’izao fianarana eto amin’ny Akademia Miaramila izao moa, dia handeha hanohy ny fiofananana sy fianarana ny asan’ny Zandarimaria any amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimaria ESGN Moramanga, izy 20 mianadahy manamboninahitry ny Zandarimaria.
Tonga namoaka azy ireo tamin’ity FANDRESENA 2026 ity moa, Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, androany. Mamporisika hatrany ireo manamboninahitra lefitry ny Zandarimaria rehetra izay maniry ny ho tonga manamboninahitra, hiezaka sy hilofo ho toa azy ireo.




















