Nanjakan’ny ekipa’ny zandarimariam-pirenena avoka ny taranja volleyball lahy sy vavy
Notontosaina ny Sabotsy 03 Oktobra 2026, tao amin’ny Gymnase Akorondrano, ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara Première Division Volleyball (D1 Volleyball).
Ho an’ny sokajy lehilahy, dia mbola voatazona eo am-pelatanan’ny GNVB 1 indray ny amboara, taorian’ny fandresena azony nanoloana ny GNVB 2, tamin’ny isa 3 seta noho ny 1 (3–1)
Ho an’ny sokajy vehivavy, dia GNVB 1 no nandrombaka ny amboara, taorian’ny fandresena nanoloana ny SQUAD X tamin’ny seta 3 noho 2
Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity fifaninanana ity ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny Volley-ball eto Madagasikara, amin’ny ambaratonga rehetra,fanomezana sehatra ireo mpilalao hanehoana sy hampivelarana ny talentany,fanomanana sy fampandrosoana ny ekipam-pirenena Malagasy ary fanatsarana hatrany ny lentan’ny Volley-ball Malagasy, mba hahafahan’i Madagasikara misolo tena amim-pireharehana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Anisany Tonga nanatrika izany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena jeneraly MAMELISON Mbina Nonos sy ireo mpiara dia aminy
👏 Arahabaina ny GNVB 1 lehilahy sy GNVB 1 vehivavy noho izao fandresena izao, ary mirary fahombiazana ho an’ireo ekipa rehetra nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.
🇲🇬 Ny fanatanjahantena, sehatry ny firaisankina, fifehezan-tena ary fampivelarana ny tanora.
Zandarimariam-pirenena












