Tontosa teo amin’ny kianja Barea Mahamasina, androany maraina, ireo lanonam-pandraisam-pibaikoana ho an’ireo vondronkery miisa 5 misahana ny fandriampahalemana voalohany ho an’Antananarivo sy ny faritra Analamanga
Ireto avy ireo tompon’andraikitra vaovao hiandraikitra izany:
- Ny kolonely RAKOTONIRINA Fenohery : komandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Analamanga.
- Ny kolonely RANDRIANIRINA Rivo : komandin’ny vondron-kery hoentin’angidimby
- Ny lietenà-kolonely RAKOTOMALALA Harena : komandin’ny vondronkery hoenti-piarakodia
- Ny lietenà kolonely SOLOFOSON Alain : komandin’ny vondronkery vonjy taitra
- Ny chef d’escadron BADY Eric : komandin’ny vondronkery ny filaminanana sy vonjy taitra manokana.
Izy ireo no isan’ny tompon’andraikitra voalohany misehatra amin’ny fampandriana fahalemana ho an’Antananarivo sy ny faritra Analamanga. Tonga dia miasa avy hatrany izy ireo taorian’ny lanonana nandraisan’izy ireo fibaikoana, androany.
Asa fa tsy kabary, ny toky fitaka fa ny atao no hita, hoy kosa Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, raha nanome ny baiko sy toromarika ho azy 05 mirahalahy, vao nandray fibaikoana. Mila tsapan’ny vahoaka ny asan’izy ireo. Mila tanterahana ao anatin’ny fahitsiana ireo iraka sy toromarika omena azy ireo, mba ahomby.
Raha ho an’ny Zandarimaria manokana, dia mitohy ny asa ary manao ny ezaka rehetra hanamafisana ny fandriampahalemana any amin’ireo faritra rehetra ahitana zandary. Baiko hentitra no nomen’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena ireo rehetra mitazona fibaikoana manerana ny Nosy, amin’izao akatokiny fankalazana ny noely sy ny fetin’ny faran’ny taona izao : hampitomboina ny fitsidihana ireo faritra rehetra hiadidiany, fitadiavana loharanom-baovao hafahana misoroka mialoha toe-javatra iray.





















