EGNA : HERINANDRO FAHAROA AMIN’NY FANADINANA FITSAPAM-PAHAIZANA MANASA-PIOFANANA (MI-STAGE) HO AN’NY MPIANATRA HO ZANDARY ANDIANY FAHA-80.

Ao anatin’ny herinandro faharoa amin’ny fanadinana fitsapam-pahaizana manasa-piofanana (mi-stage) ny mpianatra ho zandary andiany faha-80 ato amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra, ka ny adina ara-panatanjahan-tena no atrehina amin’izany.

Mizara roa arak’izany ity adina ity dia ny hazakazaka 08 kms miaraka amin’ny basy izay mitondra vesatra 11kg hoan’ny lehilahy sy 08kg hoan’ny vehivavy. Ny faharoa kosa dia ny “parcours des combattants” izay hazakazaka natao ihoarana ireo sakana maro izay mitovitovy amin’ireo sedra eny an-kianja. Manaporofo izany fa ilaina ny fahatanjahana ara-batana hiatrehana ny asa.

Satria tokoa moa Zandary vonona sy vanona no tanjona rehefa mivoaka ny sekoly ireo mpianatra ho zandary ireo ary ho afaka hiantsehatra amin’ny maha-zandary mpiana-draharaha azy.