Notanterahina androany 23 Novambra 2026, tamin’ny 08 ora maraina, tao amin’ny Salle d’honneur ao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana andiany faha-51 CAO (Cours d’Application des Officiers).
Manamboninahitra avy amin’ny andiany faha-22, sokajy iraisam-piadiana, no mandrafitra ity andiany ity. Miisa 20 izy ireo, ka vehivavy ny dimy amin’izany.
Mizara roa ny fiofanana, izay haharitra enim-bolana eo ho eo. Ny dingana voalohany, maharitra telo volana, dia hotanterahina eto Antananarivo, ao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava, ary hifantoka indrindra amin’ny fampianarana momba ny lalàna. Ny dingana faharoa kosa, izay haharitra telo volana ihany koa, dia hotanterahina ao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimaria, any Moramanga, ho famaranana ny fiofanana.
Nanome voninahitra ny lanonana sy nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany ny Jeneraly Lefitra Voalohany, Komandin’ny Zandarimaria Lefitra, nisolo tena ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimaria. Nanatrika izany ihany koa ny solontenan’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, niaraka tamin’ireo manamboninahitra jeneraly, manamboninahitra ambony ary ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny Fibaikona ny Zandarimaria.
Nandritra ny lahateny nifandimbiasana no nampitain’ny Jeneraly Lefitra Voalohany ny hafatra sy ny torohevitra avy amin’ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimaria, izay nanamafy manokana ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny fanatanterahana amim-pahamarinana ny andraikitra.
Notsindriana ihany koa fa olona voafantina sy voasivana tamin’ny maro ireo mpiofana, ka andrasana amin’izy ireo ny ho fitaratra sy ho modely eo amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny andraikitra sahaniny.
Mazava ny toromarika sy ny baiko napetraka, ary avo ny andrandraina amin’ity andiany ity, indrindra amin’ny fametrahana fomba fiasa vaovao, ny fanatsarana ny fahaiza-manao ary ny fahombiazana eo amin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaovina ny Zandarimaria.

















