Antananarivo, 17 Novambra 2026.
Naneho fahavononana sy fahaiza-manao ambony ireo zandary mpilalao mandrafitra ny Gendarmerie Nationale Football Club (GNFC), nandritra ny fiadiana ny ho Tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, sokajy Deuxième Division (D2), taom-pilalaovana 2026.
Nahitam-pahombiazana ny dian’ny GNFC nandritra ity fifaninanana ity, ka nahazoana vokatra tsara izay taratry ny firaisankina, ny fifehezantena, ny fahavononana ary ny ezaka niombonan’ireo mpilalao sy ny ekipan’ny mpanazatra ary ny Staff teknika.
Ho fankasitrahana izany zava-bita izany, dia nanolotra tamim-panajana ny amboara azon’ny klioba ny solontenan’ny GNFC, nandritra ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, notarihin’Andriamatoa Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.
Marihina fa klioba eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ny GNFC, izay sehatra iray anehoana sy anasongadinana ny soatoavina maha-zandary, toy ny fifehezantena, ny firaisankina, ny fahavononana ary ny toe-tsaina tia mandresy, eny anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Manoloana izany fahombiazana izany, dia manamafy ny fahavononany hanohy ny ezaka sy hiatrika ireo fanamby vaovao ny GNFC.
GNFC : Reharehan’ny Zandarimariam-pirenena, vonona hatrany hampisongadina ny hasin’ny andrim-panjakana.















