TOBY JENERALY RAMAROLAHY BETONGOLO : FANOLORANA KODIARAN-DROA MIISA 2.

         Natao ny 05 novambra 2026 ny fanolorana kodiaran-droa vaovao miisa 2 ho fanonerana ny fananana manokan'ireo zandary 2 miasa ao amin'ny zana-tobim-paritra SAROBARATRA, tobim-paritra TSARATANANA sy ao amin'ny tobim-paritra MIARINARIVO, vondrotobim-paritra ANDILAMENA , izay may nodoran'ny dahalo nandritra ny fifandonana mahery vaika niseho ny 29 aprily 2026 tao ANTSIRADAVA/ ANDILAMENA sy ny 11 aogositra 2026 tao AMBOHIBENGY/TSARATANANA.

Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary ary mampiasa ny fitaovana manokana misy eo aminy amin'ny fanatanterahana ny asany.

Nandray izao fepetra izao ny Jeneraly, Minisitra delege misahana ny Zandarimaria mba ho fankaherezana ny zandary rehetra manoloana ny adidy mavesatra sahaniny avy sy ho fanatanterahana ny fampiroboroboana sy fitsinjovana ny maha-olona, mifanaraka amin''ny lalan-tsaina voizina ao anatin'ny fanavaozana.

Nanolotra ireo fitaovana ireo tamin'ny anaran' ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria ireo ny mpiara-miasa aminy sy ireo tompon'andraikitra ambony avy ao amin'ny foibe fibaikoana ny Zandarimaria.