Olona telo (3) no nidoboka am-ponja vonjimaika tao Sambava, Faritra SAVA taorian’ny fanolorana fampanoavana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao an-toerana ny datin’ny 09 Septambra 2026 nohon’ny raharaha tambajotra zava-mahadomelina maherivaika na Cocaïne.
Raha tsiahivina dia telolahy no voasambotry ny avy ao amin’ny Groupe d’appui à la Police Judiciaire (GAPJ) tao SAVA tamin’ny resaka fivarotana sy fanaparitahana io zava-mahadomelina mahery vaika io ka notanana natao fanadihadiana ny 07 Septambra 2026.
Zava-mahadomelina Cocaïne milanja 2,5 grama sy vola mitentina Ariary valo-polo tapitrisa (80 000 000 Ar) azo tamin’ny fivarotana izany no nogiazana nandritra ny raharaha ka araka ny fanapahan-kevitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna, dia naiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo lelavola mitentina 80 000 000 Ariary ireo.
Ireto telolahy ireto moa no niditra am-ponja vonjimaika saingy amin’ny maha-tambajotra azy ity dia mbola maro ny mety mbola ao ambadiky ny raharaha ka dia tsy mijanona hatreo akory ny fanadihadiana fa mitohy Ary hohatevenina, koa manentana ny olom-pirenena tsirairay mba hifanome tanana hampita vaovao raha misy mahatsikaritra tranga mifandray amin’izany.





