Maneho fankasitrahana sy fisaorana ny Zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritry ny Am zandariamaria Ampanefena ny Solontenan’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Vohémar, noho ny ezaka sy ny fahavitrihana nasehon’izy ireo tamin’ny fisamborana ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha halatr’omby, avy any Antsohihy, Kaominina Ambanivohitra Ambalasatrana.
Assistants Parlementaires telo mianadahy no nisolo tena ny Solombavambahoaka tamin’izany, ka naneho tamin’ny fomba ofisialy ny fankasitrahana noho ny asa sy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka, indrindra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Nandray anjara tamin’ny fanehoana fankasitrahana ihany koa ireo mpiompy omby avy amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambalasatrana, Ambinagny Andravory, Andravory, Milanoa, Amborialy ary Andrafaikona, araka ny tatitra avy amin’ny Fikambanana Malaigny Halatra (FMH).
Ny fandriampahalemana dia andraikitra iombonana. Mendrika ny hankasitrahana ny ezaka ataon’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Isaorana ny Zandarimariam-pirenena sy ireo rehetra miara-mientana amin’ny ady amin’ny halatra omby sy ny tsy fandriampahalemana hoy ny hafatra nampitondraina ireto assistants parlementaires ireto.
MIARA-MIENTANA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FILAMINAN’NY VAHOAKA!
#Ampanefena #Vohemar #ZandarimariamPirena #Fandriampahalemana #AdyAminNyHalatraOmby #FMH




