SEKOLIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA AMBOSITRA (EGNA): MANDRAY ANJARA AMIN’NY HETSIKA  » ANDAO HANADIO »

« ANDAO HANADIO » io no tetik’asa natsagan’ny faritra Amoron’i Mania sy ny kaominina ambonivohitra Ambositra mba hoentina hanadiovana ny tanànan’Ambositra.

     Nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ity tetikasa ity ny Zoma 20 novambra  2026, dia nandray anjara mavitrika tamin'ny asa fanadiovana ny sekolin'ny zandarimariam-pirenena Ambositra izay nitambaran'ny mpanabe sy mpianatra ho zandary tamin'ireo toerana voatondro izay tena ifaneraseran'ny vahoaka manerana ny renivohitry ny tanàna.
      Ny kolonely komandin'ny sekoly sy ny lefiny no nitarika ny avy ao amin'ny EGNA.

Isan’ny toe-tsaina volavolaina ao amin’ireo mpianatra ny hanampy ny mpiara-belona, hitarika azy ireo ho tia fahadiovana hisitrahana fahasalamana. Isan’ny fampiharana izany ity fandraisana anjara tamin’ity tetikasa ity.