Toby ratsimandrava Antananarivo, Alatsinainy 16 Novambra 2026.
Notanterahina androany, Alatsinainy 16 Novambra 2026, tamin’ny 08 ora maraina, tao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena karakarain’ny Zandarimariam-pirenena, ho fanamarihana ny fankalazana ny Noely sy ny faran’ny taona 2026.
Ity hetsika ara-panatanjahantena ity dia mampifaninana ireo Fitaleavana samihafa eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, ka mikendry ny hampiroborobo ny fanatanjahantena sy hanamafy ny firaisankina eo amin’ireo samy zandary.
Ny lanonana dia notarihin’Andriamatoa Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, sy ireo mpiara dia aminy izay nanome voninahitra ny fotoana tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fifaninanana ity.
Nandritra ny lahateniny dia nanentana ireo mpandray anjara izy mba hifaninana amim-panajana, amim-pirahalahiana ary amim-pahamarinana, sady haneho ny fahaiza-manaony sy ny toe-tsaina mendrika ny Zandarimariam-pirenena. Notsindriany manokana ny maha-zava-dehibe ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fifankatiavana eo amin’ny samy zandary, izay tokony hivelatra sy hiharihary mandritra izao fifaninanana izao.
Teo am-pamaranana ny lahateniny dia nirary fahombiazana ho an’ny rehetra izy, ary nanentana ny mpandray anjara mba hiantoka ny fifaninanana milamina sy ho feno fifanajana.
Marihina fa taranja efatra (04) no hifaninanana amin’ity andiany ity, dia ny :
- Basket-ball,
- Volley-ball,
- Football,
-pétanques
Ankoatra ny fifaninanana sy ny fikatsahana vokatra tsara ara-panatanjahantena, ny hetsika dia natao indrindra hampiroboroboana ny fanatanjahantena, hikolokoloana ny fahasalamana ara-batana, ary indrindra hanamafisana ny firaisankina, ny fifankatiavana sy ny fifandraisana tsara eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny fanatanjahantena, antoky ny firaisankina sy ny firahalahiana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena




















