MAEVATANANA – ANDRIBA: TRATRA NY BASY SY NY BALA MARO TSY ARA-DALÀNA

Miasa andro tsy mandry alina ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Andriba. Nahitam-bokatra izany araka n’y loharanom-baovao azo tamin’ny olona tsara sitrapo tamin’ny fisamborana olona sy ny fahatratrarana basy ary bala maromaro tsy misy taratasy ara-dalàna.
Ny 27 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, dia olona iray nikasa hividy fitaovam-piadiana ary efa voalaza fa nanao andrana tamin’izany no sarona.
Rehefa nanao fanadihadiana lalina ny zandary ary nahazo alalana tamin’ny tonia mpampanao lalàna, dia niroso tamin’ny fisavana ireo trano voatondro tao amin’ny fokontany. Hita tao antranon’ny ramatoa iray ireto ny basy calibre 12 miisa 02 sy basy poleta 03 ary bala maromaro. Miisa 153 ny bala caibre 16 sy 12, miisa 01 ny bala calibre 12 efa niasa, miisa 12 ny bala 7,65.

Natolotra ny fitsarana ny raharaha ka nahiditra amponja vonjimaika avokoa ireo olona 11 voasaringotra amin’ity raharaha ity. Tsy mitsahatra mangata fiaraha-miasa aminareo vahoaka ny Zandarimaria amin’ny fanomezana loharanom-baovao mba hafahanay mandray andraikitra avy hatrany.