BEFANDRIANA AVARATRA: FAHATRARANA MPITRANDRAKA HARENA AN-KIBON’NY TANY( CHROME ) TSY ARA-DALÀNA.

Ny Alahady faha 01 Novambra 2026, tokony tamin’ny 09 ora sy 30 minitra maraina dia nahazo tatitra avy amin-dRtoa talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany (Mines) SOFIA ny teo anivon’ny OMC mivelatra, distrika Befandriana-avaratra, fa misy orin’asa iray atao hoe « LE RAPHIA VERT » mitrandraka krôma tsy manara-dalàna, no sady tsy manaraka ny fepetra mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fananam-bahoaka ao amin’ny fokontany Ambalihabe sy Beriana, izay samy kaominina ambanivohitra Tsarahonenana avokoa.

—-Mitaraina avokoa ny mponina izay manana tanimbary fiasana manodidina ny toerana trandrahin’izy ireo, satria ahiana mafy fa tsy maintsy tototry ny fotaka tsy ilain’izy ireo ny tanim-barin’ireo vahoaka noho ny tsy fanajan’izy ireo ny tontolo iainana sy ny fananan’olona manodidina azy ireo.

Nandray fepetra avy hatrany ny teo anivon’ny OMC ka nogiazina ary napetraka ao anatin’ny tobin’ny distrikan’ny Befandriana-Avaratra ny fiara mpitatitra ny vokatra tratra mivoaka avy any amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo.

Marihina fa tamin’io andro io ihany dia fiara vaventy roa mitondra CHROME no tratra tao amin’ny Fokontany Fanimana , kaominina ambanivohitra Ambodimotso/sud, ary ny alatsinainy faha 02 Novambra 2026, dia nahatratra fiara vaventy iray indray ny teo anivon’ny OMC mivelatra, izay izay feno CHROME mitotaly 13 metatra tora-telo, ka avy hatrany koa dia nogiazina ao amin’ny tobin’ny distrikan’ny Befandriana-Avaratra izany fiara sy entana izany.

Manoloana ny zava-misy dia nampandrenesina ny lehiben’ny fampanoavana ao Mandritsara sy ny talem-paritra ny harena an-kibon’ny tany SOFIA ao Antsohihy ary ireo lehibe isan’ambaratongany ary ny famotorana dia hiarahan’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ao Befandriana-avaratra misalahy