ANTSIRANANA RENIVOHITRA: TOHIN’NY HALATRA SOLIKA IZAY NATAO HO FAMATSIANA HERINARATRA NY TANÀNA.

(Tsiahy: Ranty datin’ny 20 Ôktobra 2026)

Tohin’ny raharaha halatra solika tao Andrenivohitr’i DIANA ny 19 Ôktobra lasa teo izay nisintona ny sain’ny mpanara-baovaoa manerana ny nosy dia tafakatra 17 ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity raha toa ka telo no voasambotra am-body omby tany am-boalohany.

Raha tsiahivina fohy dia fanodikodinana solika avo lenta izay voatokana hamatsiana herinaratra ny tanànan’Antsiranana niseho tao amin’ny Fokontany Morafeno, distrikan’Antsiranana no nanenjehana azy ireto. Nanomboka teo dia nanokatra fanadihadiana ny avy eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka be vava ao Antsiranana mba hahafahana misambotra ireo mpiray petsapetsa amin’ity raharaha ity. Nahitam-bokany izany satria dia 17 no isan’ny olona voasambotra ka ny 07 dia mpiasan’ny JIRAMA, 05 mpiasan’ny fitaterana Voromailala izay mpiandraikitra ny fitanterana ireo solika, 01 mpiasan’ny « commerce » ao Antsiranana, 01 mpampianatra amin’ny liseam-panjakana ao Antsiranana ary ny 03 olon-tsotra.

Natolotra ny fampanoavana omaly Talata 03 novambra 2026 izy ireo ary dia votazona am-ponja vonjimaika avokoa taorian’ny fanadihadian’ny fitsarana ka ireto avy ny vesatra nanenjehan’ny azy ireo:
-Fanohintohinana ny filaminana sy ny fandriampahalemana anatin’ny Fanjakana;
-Fikambanan-jiolahy;
-Fanararaotam-pitokisana;
-Ary Halatra solika.

Tsy mbola voafaritra ny fotoam-pitsarana ary mitohy hatrany ny fikarohana ireo izay nitsoaka sy izay mbola mety ho voarohirohy amin’ity raharaha ity.