Mba ho fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny filaminana any an-toerana dia notoloran’ny vahoaka poste fixe ny zandary ao Andohaniambala, Kaominina ambanivohitra Antsakanalabe District Befandrina Avaratra ka notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 24 Oktobra 2026 teo izany.
Mirefy 7 metatra sakany ary 9 metatra ny halavan’ny birao , izay mitentim-bidy 5 tapitrisa ariary. Ezaka madiidio avy amin’ny fokonolona no nahafahana nanorina ny fotodrafitrasa, ary tsy nijanona teo fa notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ireo zandary ho fanazavana ny toeram-piasàna.
Tonga nanatrika ny fitokanana ny lefitry ny distrika Befandriana avaratra, ny lefitry ny komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Mahajanga, ny lefitry ny komandin’ny Vondron-tobim-pa’ileovan’ny zandarimaria Sofia, Ny komandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Mandritsara, Ny komandin’ny tobim-paritra Befandriana avaratra, ary ny Ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Antsakanalabe.
Dingana lehibe ho fanamafisana ny fandriampahalemana izao zava-bita izao mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ary vavolombelona azo tsapain-tanana amin’ny fifampitokisana misy eo amin’ny vahoaka sy ny zandarimaria.
ZANDARIMARIA HO AN’NY VAHOAKA, MANAKAIKY VAHOAKA ARY MIARO NY VAHOAKA.




















