GNFC : LALAO TELO, FANDRESENA TELO EO AMIN’NY FIADIANANA NY TOMPONDAKAM-PIRENENA DIVISIONINA FAHA 2

Tsy nandiso fanantenana ny rehetra ireo ekipa mpilalao taranja baolina kitran’ny zandarimariam-pirenena na ny GNFC (Gendarmerie Nationale Football Club), tamin’ny fiadiana ny Tompondakam-pirenena, sokajy Diviziona Faharoa (D2), taom-pilalaovana 2026 –2027 fa nahita fahombiazana tanteraka.

Lalao telo avy hatrany no natrehin’ny ekipan’ny GNFC, ka nahazoany fandresena avokoa, izay tapakila mitondra azy ireo ho amin’ny dingana manaraka.

Toy izao ny voka-dalao nandritra ireo lalao telo nifanesy:

  • Andro voalohany: 19 Oktobra 2026: GNFC 2 – 0 COSPN
  • Andro faharoa: 21 Oktobra 2026: GNFC 2 – 1 FC ZANAGASY
  • Andro fahatelo: 23 Oktobra 2026: GNFC 1 – 0 WAGNER FC
    Marihina fa io datin’ny 19 Oktobra 2026 io no nanombohana ny fiadiana ity Tompondakam-pirenena D2 , taom-pilalaovana 2026–2027 ity, ka ny 15 Novambra 2026 izany no hifarana.

Manohy ny diany amin’ity fifaninanana ity araka izany ny GNFC, miaraka amin’ny tanjona hahazoana vokatra tsara sy hisolo tena amim-pahamendrehana ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny sehatry ny baolina kitra.

GNFC – Mirehareha amin’ny lokon’ny Zandarimariam-pirenena!