Nametraka fitaovam-piadiana sy fitaovana fampiasa entina mpampihorohoro sy handrobana ary hanaovana asan-jiolahy ireo tovolahy sy vavy fantatra amin’ny anarana hoe FOROCHE tao Ambanja.
📌 Noho ny hetsika fanentanana, fampianarana sy fananarana ary fampihavanana izay natao hampivondronana indray ireo tanora ao anatin’ny fokontany rehetra mandrafitra ny Kaominina ambonivohitr’ambanja.
🙏🏾 Dia tapakevitra ny hiova fo ireo foroches.
Napetraka amin’ny tany ireo fitaovana. Ary naterina tao amin’ny tobin’ny zandarimaria :
✓ Coupe-coupe, trois canal, mesobe, goro, flesy, lamberaka ary sabôha isan-karazany.
🤝 Natao ny fampihavanana sy ny famelan-keloka. Vonona ny hampitsahatra ireo herisetra ny tanora.
🧝🏾 Tonga nanatrika izany ireo olobe an-tànana:
✓ Ny ampanjaka TSIARASO IV
✓ Ny Solom-bavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambanja.
✓ Ny Lehiben’ny Distrika Ambanja
✓ Ny Komandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Ambanja
✓ Ireo mpikambana anatin’ny OMC Distrika Ambanja.
✓ Ny Filohan’ny fokontany.
✓ Ireo tanora vonona hiova fo.
⚽ Notolorana baolina kitra ho mariky ny fampiraisana ireo ankizy tanora.




