ZANDARIMARIA VAKINANKARATRA:FANOLORANA FITAOVANA HO ENTINA MIANTSEHATRA

Moto miisa 2 no natolotry ny fitondram-panjakana ho an’ny tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe (zana-tobim-paritra Andranomanelatra sy Sahanivotry) ary moto miisa 3 sy solosaina am-birao iray kosa ho an’ny tobim-paritra Faratsiho.

Ireo fitaovana ireo dia ho entina hanatsarana sy hanafainganana ny asa mipàka amin’ny vahoaka.

Ireo zandary miantsehatra any ambanivohitra lavitry ny arabe vita tara mantsy dia manao dia an-tongotra rehefa misy iraka sy asa atao. Ka hanamora asa fisafoana ny faritra sy ny famonjena izay atao ny fahazoana kodiaran-droa toy izao.

Ireto fampitaovana ireto dia nomen’ny fankajana tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola CIAD izay tantanan’ny Solom-bavam-bahoaka.

Ireo Solom-bavam-bahoaka mirahalahy voafidy tao Antsirabe II sy ny lehiben’ny Distrika Antsirabe II no nanolotra izany ho an’Andranomanelatra. Ny Solom-bavam-bahoakan’i Faratsiho sy ny lehiben’ny Distrikan’i Faratsiho kosa no nanolotra ireo fitaovana ho an’ny Brigade Faratsiho.

Notoloran’ny zandarimaria Medaly volamenan’ny zandarimaria kosa ireo manampahefana voalaza ireo ho mariky ny fankasitrahan’ny Minisitera Delegen’ny Zandarimaria sy ny Fibaikoana ny zandarimaria ka ny Jeneraly Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo no tonga nametraka izany Medaly izany. Zandary miisa 4 ihany koa no notolorana medaly izay fankasitrahana azy ireo tamin’ny asa vitany.