Natolotry ny kaominina Alasora tamin’ny fomba ofisialy, androany faha-09 septambra 2026, ho an’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Alasora, fiara tsy mataho-dalana Nissan NP 300 sy salotr’aina na gilet par balles miisa 10. Noho ny ezaka ho amin’ny fampandriana fahalemana izay imasoan’ny eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena no antony naharesy lahatra ny avy ao amin’ny kaominina Alasora sy ireo mpiaramimbonantoka nanolotra izao fitaovana izao ho mariky ny fankasitrahana ny ezaka vitan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria eto Alasora. Nomena mba ho amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fisorohana ny asan-jiolahy izy ireo .
Tonga nandray ireo fitaovana vaovao ireo teto Alasora, Atoa jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, komadin’ny Zandarimariam-pirenena notronon’ireo manamboninahitra marobe nandritra ny lanonam-panolorana ireo fitaovana ireo androany. Nanamafy ny fisaorana sy ny fankasitrahana noho ireo fanomezana ireo izy satria dia misy mahita sy mahatsapa ny ezaka ataon’ny Zandarimaria amin’ny fanakaikaizana ny vahoaka mba hiarovana azy ireo sy ny fananany. Mahitsy araka izany ny baiko nomeny mba hanajana ireo fitaovana vaovao ireo, hitazona ny fifandraisana matotra sy mafy eo amin’ny vahoaka sy ny Zandarimaria satria tena mangetaheta fandriampahalemana tokoa izy ireo. Nankasitraka ireo malalatana ireo ihany koa ny Zandarimaria ka dia notolorana medalin’ny Zandarimaria izy ireo mba homarika ny fankasitrahana azy sady hamafisana hatrany ny fifandraisana.




