Coopération Gendarmerie Malagasy et USA

*Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny filaminana eo amin'i Etazonia sy Madagasikara*

Ny 11 martsa 2026 teo dia nandray delegasiona avy amin’ny USAFRICOM J54, notarihin’Atoa Patrick May, Mpanampy ny Attaché de Défense ao amin’ny Masoivohon’i Etazonia misahana an’i Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
‎Nanatanteraka iraka hanao fanombanana ny fahafaha-manao amin’ny lafiny fiarovana (Capacity Based Assessment – CBA) moa ireto delegasiona ireto ka maro noho izany ireo sehatra noresahana izay noheverina fa hisitrahan’ny roa tonta tombontsoa amin’izany manoloana an’ireo hambana amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao vanim-potoana izao.
‎Ity fihaonana ity no natao noho izany dia mba hikendrena indrindra ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia amin’ny sehatry ny filaminana, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fijerena ireo vinavina fiaraha-miasa maharitra amin’ny ho avy.
‎Manamafy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra ny Zandarimariam-pirenena, ho fanamafisana sy ho fanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara.
‎TANINDRAZANA SY LALANA