VONONA HATRANY NY ZANDARIMARIA HAMITA NY ADIDY ANKININA AMINY

Niampy 1196 indray ny zandary hamita ny iraka sy ny adidy napetraka aminy, dia ny fiantohana ny fahandriampahalemana sy ny filaminana an-tanandehibe sy eny ambanivohitra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny sekolin’ny  Zandarimaria Ambositra ny zandary mpiana-draharaha miisa 1196 mianadahy misalotra ny anarana JORO, andiany faha 78. Hanampy isa ireo zandary eny an-kianja. Mialaohan’izay anefa dia handeha hiparitaka eny amin’ireo CSAO na ny Centre Spécial d’aguerrissement Opérationnel izy ireo afaka 15 andro.

 Nifanindran-dalana tamin’ ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 78 mpianatra ho zandary ihany koa ny fitokanana fotodrafitrasa  vao nahorina ao amin’ny EGNA :

  • Trano fatorian’ny mpianatra miisa 2 misy efitrano fatoriana 8 miaraka amin’ny farafara sy kidoro, mahazaka mpianatra 200 isanisany.
  • Trano fianarana miisa 3 misy efitrano 09,
  • Birao ho an’ny komandin’ny fiofanana (commandant de cours),
  • Trano fisakafoan’ny mpianatra

Natsangana mba hanatsarana sy hampiakarana ny lentan’ny fiofanana ao amin’ny EGNA . Efa ao anatin’ny fanomanana ny fandraisana ireo mpianatra ho zandary andiany faha 79 hiatrika ny fiodinana faharoa ihany koa amin’izao fotoana izao ny EGNA.