Roa volana monja taorian’ny nahatongavan’i kapiteny FANJANANTENAINA Clarck Antonio, komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Boriziny, dia nahatsapa ny zanaky ny distrika fa nisy ezaka goavana nataony, eo amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana, tao anatin’izay roa volana nibaikoany ity vondron-tobim-paritra ity izay. Tsapa teo amin’ny fihenan’ny asan’jiolahy miteraka tsy fandriampahalemana izany, raha araka ny nambaran’ny mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny antenimierampirenena, miahy ny faritra Sofia no sady zanak’i Boroziny, nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataony tany amin’ny biraon’ny vondron-tobim-paritra androany.
Tsy tonga hoazy ny fahaizany mitarika ny olom-peheziny sy ny fitarihanana manokana ananany fa tao indrindra ny fanarahany ny toromarika sy ny baiko avy amin’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana any amin’ny faritra iadidin’ity kapiteny ity, raha ny nambarany hatrany. Noho izany dia naneho fankasitrahana azy manokana, ity mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny anterimierampirenena miahy ny faritry Sofia ity, noho izany asa mendrim-piderana izany.
Mba hofanehoany izany fankasitrahana izany dia nanolotra simenitra folo gony hoenti-manatsara sy anomezana endrika vaovao ny toerana famoriana miaramila ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Boroziny, izy.
Tsy adinony koa ny naneho fankasitrahana an’Atoa jeneraly, MAMELISON Mbina Nonos, komandin’ny zandarimariam-pirenena nohon’ny haitarika manokana ananany sy fitarihany ireo olom-peheziny manerana an’i Madagasikara indrindra ny ao amin’ny distrikan’ny Boroziny. Noho izany indrindra dia mamporisika ireo zandary manerana ny Nosy, hanome ny tsara indrindra any aminy foana, eo am-panatanterahana ny asany


