Moramanga, 19 Novambra 2026 —
Olona telo no voasambotry ny zandary tao Maroventy, fokontany Antanamandroso Andrefana, kaominina ambonivohitra Moramanga, noho ny ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana roa niseho tao amin’io faritra io.


Araka ny vaovao voaray, olona dimy no voarohirohy tamin’ireo fanafihana. Ny voalohany dia fanafihana nahazoana vola mitentina 12 tapitrisa Ariary, raha ny faharoa kosa nahavoaroba 200 000 Ariary ary nandratra olona roa tamin’ny antsy.
Rehefa nahazo ny vaovao ireo zandary dia nidina ifotony ary nanao fanarahan-dia ireo voarohirohy. Telo tamin’ireo dimy no tratra tao Maroventy, raha nahavita nandositra kosa ny roa hafa.
Basy iray sy bala telo, antsy roa, vy lava famakiana trano, vola mitentina 3 tapitrisa Ariary, fanafody gasy enina ary finday telo no hita sy nogiazana teny amin’ireo voasambotra.
Misokatra ny fanadihadiana mba hamantarana ny tena zava-nisy sy ny anjara toeran’ireo voarohirohy amin’ireo fanafihana.
Mitohy ihany koa ny fikarohana ireo olona roa amin’izao fotoana izao
