MINISITRA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIA: nanatrika ny Fivoriambe notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena .

Nihaona tamin’ireo solombavambahoaka teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany alakamisy 19 Novambra 2026 ihany koa ny Minisitra Delege misahana ny Zandarmariam-pirenena ny Jeneraly BAMA Marima, sy ireo mpiara-miasa taminy, nandritra ny Fivoriambe notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.

Nanazava ny Minisitra misahana ny Zandarmaria fa manana andraikitra lehibe amin’ny fandriampahalemana ny Zandarmariam-pirenena. Ao ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Ny minisitera no mametraka ny paikady rehetra hisorohana ny heloka bevava, ny fanafihan-dahalo (indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra izay sahanin’ny zandary ny 90% amin’ny tanim-pirenena); mandrindra ny hetsika fampitsaharana ny asa ratsy any amin’ireo faritra mena sy ny famerenana ny filaminana raha misy rotaka na tondra-dàlana. Manana andraikitra amin’ny fiarovana ny firenena ihany koa ny Zandarmariam-pirenena satria hery mitam-piadiana manana sata miaramila ny zandarimaria, miara-miasa akaiky amin’ny Tafika malagasy ny minisitera amin’ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fiandrianam-pirenena manoloana ny loza mety hitranga. Raha fintinina, ny minisitera miadidy ny zandarimaria no atidoha mpamorona sy mpitantana ny paikady rehetra mampihatra ny lalàna sy miantoka ny filaminana eto amin’ny firenena, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra sy ny lalam-pirenena.Amin’ny ankapobeny dia mankasitraka tokoa ny asan’ny zandary ny solombavambahoaka. Misy ihany anefa ny zavatra azo hatsaraina raha ny hevitr’izy ireo.

Maro ireo solombavambahoaka no nangataka ny hametrahana « poste avancé » any amin’ireo kaominina manano-sarotra; ny fampitomboana ny isan’ny zandary; eo ihany koa ny tokony hampitaovana moto sy fiara ny zandary, ary ny tokony hanoloana ireo olona nafindra toerana.