05 novambra 2026
Nihaona sy namory ireo zandary rehetra miasa eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambanja ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria, Andriamatoa Jeneraly BAMA MARIMA ka tao amin’ny biraon’ny Tobim-paritra Ambanja no nanaovana izany.
nanatrika izany ihany koa Andriamatoa Kolonely POUELY Florent, Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria Antsiranana sy Andriamatoa Kolonely HAJANDRAKOTONIRINA Rija Désiré, komandin’ny Vondron-tobi-pileovana Zandarimaria DIANA ary ny Chef d’escadron ANTREFINOMENJANAHARY Solofo Tahiana, komandin’ny vondron-tobi-paritra Ambanja.
Nisy nandritra izany ny fifanakalozan-kevitra mivantana, nahafahan’ireo zandary namoaka ny hetahetany sy nampahafantatra ireo olana sedrainy eo amin’ny fanatanterahana ny asa.
Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana informatika ho an’ny Vondron-tobi-paritra Ambanja izay nahitana imprimantes miisa telo (03) sy ordinatera miisa roa (02) miampy lakana, sy ny fitaovana mitondra herinaratra maro samihafa.
Nohamafisiny ny tsy maintsy hanasiana fanatsarana ny fifandraisana sy ny fanamafisana ny fifankatiavana ary ny fifampitokisana eo amin’ny samy zandary mba hampisy vokatra be be kokoa amin’ny asa. Ary notsindrian’Andriamatoa minisitra manokana fa ny fifampiresahana sy ny fidinana ifotony toa izao no fomba iray entina manala ny tsy fifampitokisana, manamafy ny firaisankina ary manatsara ny fomba fanatanterahana ny asa, mba hamerenana sy hanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Zandarimaria.
Ho famaranana, dia nanome toromarika izy fa tsy maintsy manatanteraka fidinana ifotony ny zandary rehetra, araka ny fitsipika mifehy ny Zandarimaria.
Nohamafisiny ihany koa ny tokony hanaovana fampahatsiahivana sy fanaraha-maso tsy tapaka ireo zandary eo ambany fifehezana, mba hahazoana antoka fa tanteraka ny andraikitra sy ny tanjona napetraka.




