FARITRA ATSIMO ATSINANANA: ADY AMIN’NY TRAFIKA-NA ZAVA-MAHADOMELINA‎

Asa imasoan’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina manerana ny nosy. Raha ny tany amin’ny faritra Atsimo atsinana no asian-teny manokana dia nanao tohivakana ny fahatratrarana izany ny faran’ny herinandro teo:

1) Rongony 680 kg tao Vangaindrano
‎
Ny 23 Oktobra 2026, tratran’ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Vangaindrano noho ny fanangonam-baovao ny rongony milanja 680 kilao izay nolanjain’olona maromaro tao anaty gony miisa 70, nandalo tsy lavitra ny sampanana mankany amin’ny Kaominina ambanivohitra Soamanova.
‎Vantany vao nahita ireto zandary avy lavitra moa ireo olona ireo dia vaky nandositra ka navelany ny entany.
Nogiazana ny rongony ary nosokafana ny fanadihadiana ka ny Vondron-tobim-paritra Vangaindrano no misahana izany.
‎

    ‎2) Rongony 13 kg tao Analabe Manakara
    ‎
    ‎Ny 26 oktobra 2026 dia nahazo loharanom-baovao ireo zandary miasa ao amin’ny BPR Farafangana fa misy olona nitondra rongony avy any Vangaindrano ka nataon’izy ireo ny sakan-dalana. Noho izany dia tratran’izy ireo teo Analabe, kaominina sy distrikan’i Manakara ilay olana nitondra rongony milanja 13kg izay nataony tao anaty bidon sy gony.
    Natao andrimaso Ilay voarohirohy ka ny BPR Farafangana no misahana ny famotorana.
    ‎

    ‎3) Rongony 4 kg tao Bealoko Andapa
    ‎
    ‎Ny 25 Oktobra 2026 noho fikaroham-baovao dia nandre ny zandary mpanao fisafoam-paritra fa misy olona mampiahiahy mivarotra rongony ao amin’ny fkt Andranovolo.
    ‎Nosamborina avy hatrany ilay olona ahiahiana ary mbola nahatratrarana rongony milanja 4 kilao teny aminy.
    Notazonina natao Andry maso ilay olona kany tobim-paritra Andapa no misahana ny fanadihadiana,
    ‎
    ‎ZANDARIMARIA AKAIKY SY MIARO ANAO
    ‎
    ‎TANINDRAZANA SY LALANA