COMPAGNIE AEROPORT IVATO

Nanantanteraka dinik’asa nanaovana jeritodika ny fiaraha-miasa vita sy izay hanatsarana ny ho avy tao amin’ny vondron-tombim-paritrin’ny zandarimaria eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny delegasiona avy ao amin’ny « Direction de la Coopération de Sécurité et de la Défense » izay notarihin’Andriamatoa jeneraly lehiben’ny « coopération et défense » eo amin’ny ministera eorôpena sy ny delegasiôna niaraka taminy.
Nandray azy ireo tamin’izany ny kôlônely komandin’ny fari-piadidian’Antananarivo notronin’ny solontena rahalahy avy ao amin’ny « police de l’air et des frontières ».
Mahakasika ny zandarimaria eto amin’ny seranam-piaramanidina Ivato manokana dia ny fametrahana ny « unité spécialisée » dia ny « Gendarmerie des transports aériens – GTA » no vaidoan-draharaha. Noho ny amin’izany indrindra no nanamafisan’ny kapiteny komandin’ny vondron-tobim-paritra ny hisian’ny fiofanana manokana mahakasika izany ka hafahan’ireo zandary misehatra eo amin’ny seranam-piaramanidina manana ny « qualification inspecteur – auditeur et instructeur dans le domaine de l’aviation civile»
Fifanakalozana hanatsarana zavatra no natao ka hinoana fa hery vaovao eo amin’ny maha tandroka aron’ny vozona ny zandarimariam-pirenena amin’ny sehatrin’ny aviation civile ny dinidinika izay niaraha-nanao.