








































Niampy 1196 indray ny zandary hamita ny iraka sy ny adidy napetraka aminy, dia ny fiantohana ny fahandriampahalemana sy ny filaminana an-tanandehibe sy eny ambanivohitra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny sekolin’ny Zandarimaria Ambositra ny zandary mpiana-draharaha miisa 1196 mianadahy misalotra ny anarana JORO, andiany faha 78. Hanampy isa ireo zandary eny an-kianja. Mialaohan’izay anefa dia handeha hiparitaka eny amin’ireo CSAO na ny Centre Spécial d’aguerrissement Opérationnel izy ireo afaka 15 andro.
Nifanindran-dalana tamin’ ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 78 mpianatra ho zandary ihany koa ny fitokanana fotodrafitrasa vao nahorina ao amin’ny EGNA :
- Trano fatorian’ny mpianatra miisa 2 misy efitrano fatoriana 8 miaraka amin’ny farafara sy kidoro, mahazaka mpianatra 200 isanisany.
- Trano fianarana miisa 3 misy efitrano 09,
- Birao ho an’ny komandin’ny fiofanana (commandant de cours),
- Trano fisakafoan’ny mpianatra
Natsangana mba hanatsarana sy hampiakarana ny lentan’ny fiofanana ao amin’ny EGNA . Efa ao anatin’ny fanomanana ny fandraisana ireo mpianatra ho zandary andiany faha 79 hiatrika ny fiodinana faharoa ihany koa amin’izao fotoana izao ny EGNA.