Tontosa androany teny amin’ny Toby Jeneraly MOUNIBOU Ismael (ESCAPARA) Ivato ny lanonana fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly eo anivon’ny Foloalindahy nahazo fiakarana galona ny taona 2023. 10 mirahalahy ireo manamboninahitra jeneraly avy ato amin’ny Zandarimariam-pirenena no notolorana ny faneva androany.
Vonona ary tsy handraraka ilo mby an-doha fa hanohy ny asa nampandraiketina azy.Hijoro ho maodely sy fitaratra ho an’ireo zandriny sy ny olom-peheziny izy ireo.