NITRANGANA LOZA TAO AMIN’NY CSAO BEROROHA

Nisy zandary mpianadraharaha tsy nety nanaraka ny fandaminana sy ny fitsipi-pifehezana tamin’ny CSAO Beroroha. Nandray andraikitra hanitsy sy hanasazy azy ny lehibeny. Ny kapiteny komandin’ity CSAO ity raha teo moa dia tena mahitsy ary tsy mikipy maso manoloana izay mety ho tsy fanarahan-dalana ataon’ny miaramilany. Ny mampalahelo anefa dia tsy nahafaly io zandary mpianadraharaha io izany sady noentin’ny tsy fahafehezan-tena sy noho ny fitondran-tena hafahafa dia nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, nifitra ilay kapiteny lehibe mpifehy azy izy.

Vokany : maty noho io tifitra nahazo azy io ny Kapiteny FRANCK MULLER, komandin’ny CSAO Beroroha. Ilay zandary kosa dia mbola manaraka fitsaboana rehefa avy nitifi-tena taorian’izy nitifitra ilay kapiteny. 

Ny trangan-javatra toy izao moa dia mety mitranga ary izany indrindra no tena mahasorotiny ny Zandarimaria eo am-pandraisana ireo zatovolahy sy vavy mifaninana hiditra ho zandary. Tsy voatery ny fahaizana ihany no jerena fa tena manan-danja lehibe ihany koa ny toetra sy ny fitondran-tena. Efa eo am-panadiovana anatiny, fandraisana andraikitra amin’ny famongorana ireo izay mihoam-pefy ny Zandarimaria amin’izao fotoana izao. 

Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny avy eto anivon’ny Zandarimaria. Amin’izao fotoana izao dia efa any an-toerana Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriantahina, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, mankahery ny fianakaviana, mijery ifotony ny tranga niseho.

Ny Zandarimaria dia miezaka hatrany hametraka asa matihanina ao anaty fitsipi-pifehezana mba azahoany manatanteraka ny andraikitra nankinina taminy.