Le secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie

Général de corps d’armée Serge GELLÉ

 

Vonona hatrany ny tenako Jeneraly Serge GELLÉ SEG sy ny ZANDARIMARIAM-PIRENENA hiaramiasa amin’ny vahoaka rehetra tia fandriam-pahalemana, hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny endriny rehetra, isan’izany ny ady amin’ny kolikoly izay mambotry ny firenena.
Haveriko hatrany fa 0341401980 ny laharana ahazoana ny SEG; raha tsy mandray satria mety mivory dia ataovy hafatra (sms) mazava tsara ny fotoana sy ny toerana (fokotany sy commune ary distrika nitrangan’ny seho nahatonga ny fitarainana); tsy voatery mila miteny anarana mba ho fiarovana ny tenanao amin’ny kakay sy valifaty. Ho tazomiko SEG ho tsiambaratelo ny resaka ifanaovako aminareo. Mifona sy mialatsiny noho izay zandary nanao ny tsy mety taminareo vahoaka fa vonona ny hiady sy handray andraikitra tsy misy hatakandro; miraisa hina isika fa azo atao ny miady amin’ny ratsy na iza izay na iza.
Mankasitraka TOMPOKO.