Antananarivo faha 26 Oktobra 2026.
Notontosaina tao amin’ny foibem-pibaikoana Toby Ratsimandrava ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 14 » Certificat de spécialité N° 1 et N°2 (CS1-CS2) mahakasika ny fikirakirana ny fitaovam piadiana, fijeren-davitra, vanja ary milina fanoratana.
Mba ho fanamafisana sy fanatevenana ireo manana fahaiza-manao manokana mahakasika ny momban’ny Fikirakirana ireo taranja voalaza eo ambony dia navoaka amin’ny fomba ofisialy androany, rehefa àvy niofana nandritran’ny dimy (05) volana ireto mpiofana ireto izay nahitana zandary miisa 39 mianadahy ary nahitana vehivavy miisa telo (03) nandrafitra ny andiany.
Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao Andriamatoa lefitra voalohan’ny Zandarimariam-Pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy izay nanome torohevitra sy toromarika amin’ny asa miandry azy ireo eny an-kianja.
Ny famoahana ireto andiany ireto dia maneho ny ezaka tsy ankiato ataon’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny famolavolana olona manana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny asa sy ny fivoaran’ny teknolojia entina mitady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Haparitaka any amin’ireo toby manerana ny Nosy izy ireo mba hampihatra ny traikefa norantoviny nandritra ny fiofanana ary koa handray anjara amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa izay niantsoana azy ireo.












