FETIN’NY NOELIN’NY ZANDARIMARIA 2024

Notanterahana teto amin’ny foibe fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ny noelin’ny zanaky ny zandary, ho an’ny ireo miasa eny amin’ny :
🎄Ministera Delege misahana ny Zandarimaria
🎄Foibe fibaikoana ny Zandarimaria
🎄CFS Ivato
🎄FIGN
🎄CIRGN Antananarivo
Nanotrona azy ireo ihany koa ny zanaky ny Mahery Fon’ny Zandarimaria avy any amin’ny akany Arivonimamo.
Nahafinaritra ny kilalao sy ny seho an-tsehatra nomanin’ireto zanaky ny Zandarimaria ireto. Fahombiazana tanteraka ny fety teto amin’ny Toby Ratsimandrava. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fankalaza ny fetin’ny noely moa Atoa jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria sy ramatoa vadiny, Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ramatoa vadiny, notronin’ireo zandary rehetra miaraka amin’ny vady aman-janany.
Ny Zandarimariam-pirenena dia mirary fetin’ny faran’ny taona sambatra ho an’ny Malagasy rehetra.