MANAMBONINAHITRA 28 MIANADAHY AVY ETO ANIVON’NY ZANDARIMARIA NAHAVITA FIOFANANA

Vonona hiatrika sy hisedra ny mafy izy ireo rehefa handeha hiantsehatra eny an-kianja hampandry fahalemana sy hitandro ny filaminana, raha araka ny nambaran’Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, komandin’ny Zandarimariam-pirenena androany, raha nandray fitenenana nandritra ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy azy ireo androany teny amin’ny CFS Ivato. Mbola sombintsombiny fotsiny ihany mantsy no hitan’izy ireo nandritra ny fiofanany teto Antananarivo sy Moramanga ary ny tao anatin’ny distrikan’Anjozorobe.
Tsara mantsy ny nampahafantatra fa isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny opération Coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe izy ireo. Opération nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohita izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy maherivaika Mas 36 iray ary fusil de chasse na FC miisa 04.
Nahazo fanendrena vaovao izy ireo ankehitriny ary handeha hiparitaka manerana ny Nosy, hanatevin-daharana ireo zandary efa any amin’ireo tobin’ny Zandarimaria any rehetra any. Ho mpitarika ary handavorary ny asa rehetra ankinina aminy. Ny traikefa sy ny fahaiza-manao azon’izy ireo nandritra ny fanovozana fahalalana sy ny fianaran’asa nataon’izy ireo kosa dia hampitainy sy hampianarin’izy ireo amin’ny zandary eo ambany fifehezany mba hitondra aina sy aingavao any amin’ny tobin’ny Zandarimaria hanirahana azy fa indrindra ny eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny izay mangetaheta filaminana sy fahandriampahalemana tokoa. Ny Zandarimaria moa dia tsy miamboho adidy fa vonona hatrany hiaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony.
Zandarimaria MAFI