MANAMBONINATRA 28 MIANADAHY MANATEVIN-DAHARANA NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisin’Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriantahiana Jean Herbert, komandin’ny Zandarimariam-pirenena ireo manamboninahitra mpianatra (Officiers élèves) miisa 28 mianadahy. Taorian’ny fiofanana noratoviny tany amin’ny ACMIL dia izy ireo no nisafidy hanatevin-daharana ireo manamboninahitry ny Zandarimariam-pirenena.

Haharitra 8 volana eo eo ny faharetan’ny fiofanan’izy ireo mialoha ny hidinany eny an-kianja. Mifantoka amin’ny fianarana lalana ny 2 volana vialohany ho an’ireto manambonahitra ireto ka eto Antananarivo no hanarahan’izy ireo izany ary any amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena any Moramanga kosa ny 6 volana farany. Hampitaina amin’izy ireo mandritra izany ny asa miandry ny zandary eny an-tsehatra. Amina maha zandary azy ireo moa dia mifantoka amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ny hafatra mafonja nampitaina tamin’izy ireo. Tarigetran’ny Zandarimaria raha teo ny hoe Tanindrazana sy Lalana. Natao hampihatra lalana ny zandary izay fototry ny asan’ny Zandarimaria. Ka noho izany dia mila manana lalan-tsaina mazava ny tsirairay mba hampisongadina sy hampamiratra azy ireo mandritra ny asany eto anivon’ny Zandarimaria.

Araka izany dia nahazo tso-drano avy tamin’Atoa jeneraly komandin’ny Zandarimariam-pirenena izy 28 mianadahy ireo mba hahavita amin’ny antsakany sy andavany ny fiofanany sy ny andraikitra sahaniny eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Tsara moa ny mampahafantatra fa miisa 04 mianadahy ny manamboninahitra mitondra ny laharam-boninahitra lieutenant (bokotra miisa 02), avy amin’ny andiany manokana 26eme PFMCS. Ny 24 mianadahy kosa dia eo amin’ny laharam-boninahitra sous-lieutenant (bokotra 1), manamboninahitra avy amin’ny andiany faha 45 mivantan’ny Académie Militaire Antsirabe.