FITSARANA TARATASIM-PANADINANA HIDIRANA HO MPIANATRA ZANDARY ANDIANY FAHA 79

Natomboka androany alatsinainy faha 30 septambra 2024 tao amin’ny toby Ratsimandrava ny fitsarana ny taratasim-panadinana hidirana ho mpianatra zandary, andiany faha 79 izay natao ny 14 sy 15 septambra teo nanerana ny Nosy.
-Nitarika ny fotoana tamin’izany ny jeneraly Lehiben’ny etamazaoro eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, tonga niatrika izany koa ireo solontena avy amin’ny Bianco mba hapangarahara ny fitsarana.
Mpampianatra miisa 60 mianadahy avy amin’ireo Lycée eto an-drenivohitra sy ny manodidina no hiara hifandrimbona hanatanteraka izany, izay vinavinaina ho vita ao anatin’ny folo andro.
-Marihana moa fa taratasim-panadinana maherin’ny 30.000 no hotsarain’izy ireo izay mizara taranja telo dia ny malagasy, français ary mathématiques.