







Anio alahady 29 septambra no nankalazana ny fetin’i Masindahy Misely mpiaro ny mpilatsaka an’elonaina maneran-tany. Manamarika tsy tapaka isan-taona izany ny Bataiona voalohany Mpilatsaka an’elonaina ,amin’ny maha vondrona mpilatsaka an’elonaina azy ireo eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nanome voninahitra izany ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin Minisitry ny Foloalindahy, sy ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriamitovy Andriantsarafara Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny Fibaikoana eo anivon’ny Foloalindahy.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fangataham-pitahiana ny fankalazana, narahina fanolorana amboara fankasitrahana ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena « Tournoi Saint MichelΒ Β». Ny Holafy fahatelo no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fitambaran’ny fifaninana.
Nanamafy ny firaisankina sy ny fandalΓ na ny soatoavina eo anivon’ny Bataiona voalohany Mpilatsaka an’elonaina ny Jeneraly Minisitry ny Foloalindahy, raha niarahaba sy nirary soa ireo mpilatsaka an’elonaina malagasy. Navoitry ny Minisitra koa, fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny tsirairay ara-pitaovana, ka mitaky fahavononana sy fahaiza-manao isaky ny sehatra misy azy avy, ho an’ireo mpilatsaka an’elonaina izay natao hanefa ireo iraka manokana manampy ny vahoaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Β