ADY AMIN’NY ASAN-DAHALO ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMO

MITOHY NY FITETEZANA IREO FARITRA MENA ATAON’NY LEHIBEN’NY EMMO NAT
Miara misalahy mandrakariva midina ifotony ireo tompon’andraikitra ambony anivon’ny EMMO NAT mijery ireo fomba rehetra hampanjakana ny fandriampahalemana sy flaminana maharitra ho an’ireo mponina manoloana ny asan-dahalo amin’ireo Faritra mbola mena any Atsimo manodidina ny distrikan’i Bekily sy Betroka.
Nitohy tao Imanombo Distrikan’ Antanimora Atsimo sy Isoanala Distrikan’ny Betroka ary Distrikan’Amboasary ny fidinana an-kianja nataon’izy ireo ahita ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ,ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika .
Tsy mitsahatra manome toromarika sy mitondra fanatsarana amin’ireo paikady hoentin’ireo miaramila eny an-kianja ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny Fibaikoana mba hisian’ny vokatra haingana mipaka mivantana amin’ireo mponina ifotony mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fiainany am-pitoniana.