π™π€ππƒπ€π‘πˆπŒπ€π‘πˆπ€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ πŒπ€ππƒπ‘π€π˜ 𝐅𝐄𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀 πŒπ€ππŽπ‹πŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€πŒπŽπ€π‡π€ππ€ π’π˜ π…π€ππ€ππ€π‘πˆπ“π€π‡π€ππ€ π•π€πŽπ•π€πŽ π“π’π˜ πŒπ€π‘πˆππ€

Manoloana ny fanaparitahana vaovao tato amin’ny tambazotran-tsosialy Facebook izay milaza fa nisy zandary naka vola tamina olona iray dia manao izao fampahafantarana izao ny eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena:
Rahefa natao ny famotorana lalina dia voaporofo fa 𝑻𝑺𝒀 𝑴𝑨𝑹𝑰𝑡𝑨 ilay vaovao niparitaka;
Tsiahivina fa nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Andriamatoa hajaina Andry Nirina RAJOELINA Filohan’ny Repoblika, nitsirika sy nitondra toromarika ho amin’ny fanatsarana hanomezana fahafahampo ireo mpanjifa.
Nandray fepetra hentitra ny teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena ho fanatanterahana izany tamin’ny alalan’ny fanomezana fampitaovana ( camΓ©ra de surveillance embarquΓ©) sy fanatsarana ny fahaiza-manao amin’ny fandraisan’olona (accueil)…
Ny fampiasana ny tambazotra-tsosialy dia misy lalΓ na mifehy ka mety hiteraka fanenjehana sy fandraisana fepetra hentitra raha sanatria ka misy ny fandikan-dalΓ na toy ny:
– ny fanalam-baraka olona na Sampan-draharaham-panjakana;
– ny fanohintohinana fiainam-bahoaka;
– ny famporisihana hankahala olona;
– ny famoahana sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina.