








𝟯𝟬 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰 – Mpianatra Manamboninahitra miisa 107 no nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe nandritra ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2024. Miisa 51 avy amin’ny andiany manokana faha 26 « ANDRIAFO » ary miisa 56 avy amin’ny andiany mivantana faha 45 « Ltn Colonel Hery Rakotomiliarison ». Nampiavaka ity lanonana androany ity ny fanolorana ny sabatry ny fibaikoana tamin’ny Filoha Andry RAJOELINA, amin’ny maha lehibe faratampon’ny Foloalindahy azy. Hafatra manokana nomen’ny Filoham-pirenena ho an’ireto Manamboninahitra ireto ny handresen’izy ireo ny iraka rehetra ataon’izy ireo. Nanome toromarika ny Foloalindahy Malagasy ihany koa ny tenany ny tsy maintsy hamongorana ny fakana an-keriny ny samy Malagasy.