Notanterahina androany faha-18 septambra 2021 tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Volley-ball.
👉 Ny GNVB ny teo amin’ny sokajy U16 zazalahy, ny STEF’AUTO avy ao Toamasina teo amin’ny sokajy diviziona voalohany vehivavy ary ny GNVB 1 Analamanga teo amin’ny lehilahy no nandrombaka ny amboara tamin’izany ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2022.
➡️ Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.