Notontosaina androany faha 20 jona 2022 tamin’ny 7ora maraina tetsy amin’ny Toby Jeneraly RATSIMANDRAVA ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny lalao « Coupe SEG-COM » izay ifanandrianan’ireo Vondrona rehetra eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny jeneraly Manasse Jean MANANGA, talen’ny kabinetra eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ka natrehan’ireo tompon’andraikitra ambony maro sy ireo mpandray anjara maro amin’ny lalao.
Lalaom-piralahiana ho entina hanamafisana firaisankina ato amin’ny Zandarimaria izao tontosaina izao, hanaporofona indrindra indrindra fa iray tsy mivaky ny Zandarimaria na samy manana ny sampana misy azy aza, natao ihany koa izao ho entina hanamarihana ny fetin’ny Foloalindahy Malagasy. Anisan’ny fitaizam-batana ny fanatanjahan-tena ary indrindra hisorohana amin’ny aretina maro samihafa hoy ny Jeneraly Talen’ny kabinetra SEG nandritra ny lahateniny.
Maro ireo mpandray anjara izay ahitàna ny mpilalao avy ao amin’ny SEG, COM GN, FIGN, CFS, ESGN, EGNA, DLI ary ny CIRGN Antana izay hifaninana amin’ny taranja Basket-ball sy Volley-ball amin’ny sokajin-taona latsaka sy mihoatra ny 35 taona.
Natomboka tamin’ny matso ahitàna ireo mpandray anjara ny fotoana ka narahina « Zumba » ary fifanitsanana teo amin’ny taranja basket-ball izay nifanindranan’ny SEG sy FIGN