MORAMANGA

« Ilo tsy very tsy maty ao am-po ny fanavotana ny Firenena ».
Nampidorehitra indray ny afom-pitiavan-tanindrazana ny lanonana fametrahana fehezam-boninkazo fanamarihana ny faha 75 taonan’ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947, tao Moramanga.
Tonga nitarika izany Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra Malagasy, notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Jeneraly Serge GELLÉ, Sekreteram-pankana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria ary ireo manan-kaja sivily sy miaramila.
Ho an’ny Tanindrazana.