AÉROPORT IVATO

Nitsidika ny seranam-piaramanidina izay tantanan’ny Ravinala Aéroport eny Ivato ny Jeneraly Serge GELLÉ, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamaria omaly faha 24 martsa 2022.
Nampatsiahy ny andraikitry ny Zandarimaria amin’ny alalan’ny « Compagnie de la Gendarmerie nationale d’Ivato » izay misahana ny fiarovana sy fanaraha-maso eny izy. Ary indrindra nanome toromarika ihany koa ny ho amin’ny fomba fiasa amin’izao fisokafan’ny sisintany izao.
Ny Tanjona ny tsy hivoahan’ireo harem-pirenena amin’ny fomba an-tsokosoko intsony ka hampiharana amin’ny fomba mangarahara ny lalàna velona.
Tonga teny an-toerana nanotrona azy moa ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andry, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo tompon’andraikitra rehetra (CDT CIRGN, CDT GROUPEMENT GN ANALAMANGA, CDT CIE GN AEROPORT).