ZANDARIMARIA ATSINANANA

Noho ny fahatrarana ny tsingeritaona faharoa ny fitantanan’ny Goveronam-paritra Atsinanana dia notontosaina anio ny lanonana fanamarihana izany sady fanehoana ny tomban’ezaka vita ny taona 2021 sy ny vinan’asa taona 2022 hoan’ny Faritra Atsinanana, tao amin’ny amphithéâtre Pact SPAT Toamasina.
Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriam-pahalemana; ny fahaiza-manao sy fampitaovana lavorary hoenti-miasa no antoka ahitam-bokany amin’izany. Anisan’ny nanao ezaka ny Zandarimaria ka mila tohanana. Izay no nanosika ny Goveram-paritra Atsinanana ka nanolotra motocross miisa 10 ho an’ireo Tobin’ny Zandarimariam-pirenena miisa 10 somary saro-dalana ao anatin’ny Faritra iadidiany mba hamongorana ny tsy fandriam-pahalemana.
Nanome voninahitra izany fotoana izany ireo Tompon’andraikim-panjakana sy manankaja maro isan-tsokajiny tao Toamasina.
Ny fifanohanana toa izao indrindra no manome hery ny fanatanterahana ny tondrozotra « Tagnamaron’ny Fandriam-pahalemana » izay napetraky ny Jeneraly Sekreteram-pankana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandariamaria.
« Mandroso miaraka hoan’ny taranaka »