Nanana herin-tsaina sy herim-batana manokana ny Général de Corps d’Armée Serge GELLÉ ka nahavotra ny ainy taorian’ny fianjeran’ny angidimby OSCAR OSCAR nisy azy sy ireo namany telo.
Mendri-piderana ihany koa ny firaisankina sy ny fitiava-namana nasehon’i Zambie sy ireo namany ka nanavotan’izy ireo ny SEG.
Fitaratra ho an’ny mpiara-belona ireo maherifontsika ireo. Koa ankafaliana no niarahabako sy nanolorana ny fankasitrahana azy ireo teto Mahambo.
Ohatra velona tokony halain-tahaka amin’ny firaisankinan’ny samy Malagasy ny nasehon’izy ireo