FENOARIVO AMBATOFINANDRAHANA

Vokatry ny faharesen-dahatra natao tamin’ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra FENOARIVO distrika AMBATOFINANDRAHANA tamin’ny fanentanana ny « Tagnamaron’ny Fandriampahalemana » dia nisy olona tsara sitrapo iray no nanome loharanom-baovao ny Komandin’ny Tobim-paritra Zandarimaria Feniarivo ny toerana fieren’ireo dahalo mitam-piadiana mahery vaika, izay ao Analandrainimaka, fokontany Ambalamahatsara, kaominina FENOARIVO sy ditrika AMBATOFINANDRAHANA.
Tsy niandry ny zandary tao FENOARIVO fa avy hatrany dia nidina teny ifotony anio faha 18 martsa vao mangiran-dratsy, izay notarihin’ny komandin’ny Tobim-paritra.
Raha vao nanakaiky ny toerana ireto zandary dia nitifitra avy hatrany ireo dahalo. Raikitra teo ny fifampitifirana.
Tsy naharitra ny hakingana sy fahaizamanaon’ireto zandary ny dahalo ka vaky nandositra tany anaty ala mikitroka. Rehefa nanao ny savahao ny zandary taorian’ny fifampitifirana dia basy mahery vaika iray MAS 36 nisy bala 03 tao anatiny no hita tao amin’ny toerana niheren’ireto dahalo. Mbola mitohy ny hazalambo any anaty ala amin’izao ora izao.
Tsara marihina moa fa ity basy ity izao no basy mahery vaika faha-dimy tafaverina eny amin’ny zandarmaria ao Amoron’i Mania nandritra ity taona ity. Mitohy hatrany ny ezaka ady amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna.
Manentana hatrany ny zandarmaria amin’ny fanomezana loharanom-baovao ahafahana maningotra hatramin’ny fotony ireo dahalo sy izay rehetra mifandraika aminy.