Tonga nanao fitsidihina ara-pomba ofisialy tao amin’ny Jeneraly GELLE Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ny Colonel WANG Tao, Attaché de défense auprès de l’Ambassade de la République populaire de Chine, miasa sy monina eto Madagasikara ny marainan’ny 26 aogositra tamin’ny folo ora.
Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy chine izay efa nisy hatrin’ny ela ny laha-dinika. Betsaka ny karazam-panofanana izay nomen’i Chine antsika amin’ny lafiny maro toy ny fanatanjahatena, teny sinoa, hay mahakasika ny fitaovam-piadiana. Tonga hanamafy izany fiaraha-miasa izany no antony nahatongavany sy haneho ny fahavononan’i Chine hifanohana amin’i Madagasikara izay singanina manokana ny zandarimaria.
Misy ny hetaheta amin’ireo orinasa sinoa izay misy eto amintsika izay adidin-tsika no miaro azy satria mampiasa malagasy maro sy mampiasa ny volany eto amintsika.
Betsaka ny foto-drafitr’asa nankinin’ny firenena malagasy amin’ny sinoa, ny Fitondrana malagasy dia matoky an’io firenena io amin’ny fahaiza-manao sy ireo traikefa ara-toekarena.