Nitsidika tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ny Colonel WANG Tao, Attaché de défense auprès de l’Ambassade de la République populaire de Chine, miasa sy monina eto Madagasikara ny marainan’ny 25 aogositra tamin’ny sivy ora.
Ho tohin’ny fitsidihana izay efa nataony teo aloha sy ho fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine izay efa nisy hatry ny ela no anton-diany.
Marihina fa maro ireo fampiofanana sy fifampizarana traikefa nomen’i Chine ny Zandarimariam-pirenena, ohatra amin’izany ny lafiny ara-panatanjahatena sy teny sinoa ary hay mahakasika ny fitaovam-piadiana.
Toy ireo Firenena sy teratany vahiny mandraharaha ara-tsosialy sy ara-toekarena eto amintsika dia manao fiarovana azy ireo ny Zandarimariam-pirenena.
Nifanome toky ny roa tonta fa hifanohana sy hiara-hiasa hatrany.