Nanatontosa fivoriam-panomanana ny lanonam-panokanana ny « Kianja Barea » Mahamasina sy ny lalao hifanandrianan’i Barea Madagasikara sy Ecureuils Bénin ny Mpitantana ny EMMO/NAT anio faha 25 aogositra 2021 tetsy amin’ny Toby Jeneraly Richard RATSIMANDRAVA.
Tonga nikaon-doha tamin’izany ireo Solotenan’ny FIFA, CAF sy ny FMF ary ny EMMO (GN, PN, AM).
Tapaka fa amin’ny 10 ora maraina ny andron’ny 02 septambra no manomboka misokatra ireo vavahady ho an’ny rehetra, izay hisy ny fitsirihana.
Amin’ny 3 ora tolak’andro no ho tontosaina ny fitokanana ara-pomba ofisialy ny kianja Barea, izay atao eo ambany fitarihan’Andriamatoa Filoham-pirenena.
Ny hariva amin’ny 7 ora no hanomboka ny lalao Barea sy Bénin.
Maro ireo fepetra noraisin’ny EmmoNat manoloana izany mba hitandroana ny filaminana sy hiarovana ireo olona hanatrika sy ireo fananana iombonana. Ny fehiny dia ny hoe mitaky filaminana tanteraka mba ho tontosa soa aman-tsara ireo hetsika ka ho reharehan’ny Malagasy.